Acts 23

1I Petera dia nijery nivantana tany amin’ireo mpikambana tao amin’ny filan-kevitra ary niteny hoe: “Ry rahalahy, izaho dia efa niaina teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny fieritreretana tsara rehetra mandraka androany.” 2Ny mpisorombe Ananiasy dia nibaiko ireo izay nitsangana teo akaikiny mba hamelezana ny vavany. 3Avy eo i Paoly niteny azy hoe: “Andriamanitra dia hikapoka anao, ianao ry rindrina voalalotra fotsy. Ianao ve dia mipetraka hitsara ahy amin’ny lalàna, nefa mandidy ahy mba ho kapohina, tsy araka ny lalàna?

4Ireo izay nitsangana teo dia niteny hoe: “Izao ve no fomba hanevatevanareo ny mpisoromben’Andriamanitra?” 5I Paoly niteny hoe: “Tsy nahafantatra aho, ry rahalahy, hoe izy ilay lehiben’ny mpisorombe. Fa efa voasoratra hoe: tsy tokony hiteny ratsy ny mpitondra ny vahoakanao ianao.”

6Rehefa hitan’i Paoly fa ny sasany tamin’ny filan-kevitra dia Sadoseo ary ny hafa Fariseo, dia niteny mafy tao amin’ny filan-kevitra izy hoe: “Ry rahalahy, Izaho dia Fariseo, zanaka lahin’ireo Fariseo. Izany no izy satria izaho dia manantena tsara ny fitsanganan’ny maty izay hitsarana ahy.” 7Rehefa niteny izany izy, dia nanomboka nisy fifandirana teo amin’ireo Fariseo sy ireo Sadoseso, ary ny vahoaka dia nizara. 8Fa ireo Sadoseo dia niteny fa tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty, tsy misy ireo anjely, ary tsy misy ireo fanahy, nefa ireo Fariseo dia nanaiky an’izy rehetra ireo.

9Noho izany dia nisy fitabatabana mafy niseho, ary ny sasany tamin’ireo mpanora-dalànan’ireo Fariseo dia nitsangana ary niady hevitra, niteny hoe: “Izahay dia tsy mahita zavatra diso amin’io lehilahy io. Ahoana raha ny fanahy na ny anjely no niresaka taminy?” 10Nony nisy fifandirana mafy teo, ny kapiteny mpitarika dia natahotra sao dia hifandrotehan’izy ireo i Paoly, noho izany izy dia nandidy ireo miaramila mba hidina sy haka azy an-keriny any amin’ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra, ary hitondra azy any an-dapa.

11Ny alina manaraka ny Tompo dia nijoro teo anilany ary niteny hoe: “Aza matahotra, fa toy ny nijoroanao vavolombelona momba ahy tany Jerosalema, no tsy maintsy hijoroanao vavolombelona any Roma ihany koa.”

12Rehefa maraina ny andro, ny Jiosy sasany dia namorona tetika ary nanozona ny tenan’izy ireo miaraka amin’ny fianianana mba tsy hihinana na hisotro na inona na inona ambara-pamonoan’izy ireo an’i Paoly. 13Mihoatra ny efapolo olona izy ireo izay namorona io tetika io.

14Izy ireo dia nandeha tany amin’ireo mpisorombe sy ireo loholona ka niteny hoe: “Izahay dia efa nanao fanozonana lehibe tamin’ny tenanay, mba tsy hihinana na inona na inona ambara-pamonoanay an’i Paoly. 15Ankehitriny, noho izany, avelao ny filan-kevitra hiteny amin’ny kapiteny mpitarika mba hitondra azy hidina eto aminareo, ary ianareo toy ny hoe hanapa-kevitra amin’ny zava-misy momba azy marina kokoa. Fa ho anay, izahay dia vonona ny hamono azy alohan’ny fahatongavany eto.”

16Nefa ny zanaka lahin’ny anabavin’i Paoly dia naheno fa teo am-piandrasana ny hamonoana azy izy ireo, noho izany izy dia nandeha ary niditra ny lapa ka niteny tamin’i Paoly. 17I Paoly dia niantso ny iray tamin’ireo kapiteny ka niteny hoe: “Ento any amin’ny kapiteny mpitarika ity tovolahy ity, fa manana zavatra lazaina aminy izy.”

18Noho izany ilay kapiteny dia nandray ilay tovolahy ary nitondra azy tany amin’ny kapiteny mpitarika ka niteny hoe: “I Paoly ilay gadra no niantso ahy ho any aminy, ary nangataka ahy mba hitondra ity tovolahy ity ho eto aminao. Manana zavatra ho lazaina aminao izy.” 19Ny kapiteny mpitarika dia naka azy tamin’ny tanana ho any amin’ny toerana mitokana ary nanontany azy hoe: “Inona izany tokony ho lazainao amiko izany?”

20Ilay tovolahy niteny hoe: “Ireo jiosy dia efa nanaiky ny hangataka aminao mba hitondra an’i Paoly hidina any amin’ny filan-kevitra rahampitso, toy ny hoe izy ireo dia handeha hanontany ny momba azy marina kokoa. 21Nefa aza manaiky azy ireo, satria nisy olona mihoatra ny efapolo izay efa vonona ny hamono azy. Niantso ozona ho an’ny tenany izy ireo, mba tsy hihinana na hisotro ambara-pamonoan’izy ireo azy. Fa na dia izao aza dia efa vonona izy ireo, miandry fanekena avy any aminao.”

22Ka navelan’ilay kapiteny mpifehy handeha ilay tovolahy, taorian’ny nanoroany azy hoe: “Aza miteny na amin’iza na amin’iza hoe niteny ireo zavatra ireo tamiko ianao.” 23Avy eo izy dia niantso ho eo aminy ny roa tamin’ireo kapiteny ka niteny hoe: “Alaivo ny miaramila roanjato izay vonona ny andeha any Kaisaria, sy mpitaingin-tsoavaly fitopolo ihany koa, ary mpitondra lefona roanjato. Handeha ianao amin’ny ora fahatelon’ny alina.” 24Izy ihany koa dia nandidy azy ireo mba hanome biby izay afaka hotaingenan’i Paoly, ary mba hitondra azy soa aman-tsara any amin’i Feliksa ilay governora.

25Avy eo dia nanoratra taratasy toy izao izy: 26“Klaodio Lisia ho an’i Feliksa governora tsara indrindra, arahaba. 27Io lehilahy io dia nosamborin’ireo Jiosy ary saika novonoin’izy ireo, rehefa tonga teo amin’izy ireo niaraka tamin’ireo miaramila aho dia nanavotra azy, satria nahafantatra aho fa izy dia olom-pirenena Romana.

28Izaho dia te hahalala ny antony niampangan’izy ireo azy, noho izany dia nentiko nidina tao amin’ny filan-kevitr’izy ireo izy. 29Nahafantatra aho fa voapanga tamin’ny ady hevitra mikasika ny lalàn’izy ireo manokana izy, nefa tsy nisy fiampangana nanohitra azy izay mendrika fahafatesana na fanagadrana. 30Avy eo dia nampafantarina ahy fa nisy tetika hanoherana ilay lehilahy, noho izany dia nandefa azy teo noho eo tany aminao aho, ary nanafatra ireo mpiampanga azy ihany koa mba hitondra ny fanamelohan’izy ireo azy eo anatrehanao. Veloma.”

31Ka noho izany ireo miaramila dia nankatò ireo baikon’izy ireo. Nalain’izy ireo i Paoly ary nentiny tamin’ny alina tany Antipatria. 32Ny ampitso, ny ankamaroan’ireo miaramila dia nandao ireo mpitaingin-tsoavaly mba handeha hiaraka aminy fa izy ireo dia niverina tany an-dapa. 33Rehefa tonga tany Kaisaria ireo mpitaingin-tsoavaly ka nanolotra ny taratasy ho an’ny governora, dia nanolotra an’i Paoly taminy ihany koa.

34Rehefa namaky ny taratasy ny governora, dia nanontany ny faritany izay niavian’ i Paoly izy. Rehefa fantany fa avy any Kilikia izy, dia niteny hoe: “Izaho dia haheno tanteraka anao rehefa tonga eto ireo mpiampanga anao.” Dia nasainy notazomina tao ao amin’ireo foiben’ny fanjakan’i Heroda izy.

35

Copyright information for PltULB